<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Jehovah no Mpiandry ahy?
 Tsy hana-java-mahory aho.

[V2]
 Mampandry ahy amin'ny ahi-maitso Izy;
 Mitondra ahy eo amoron'ny rano fialan-tsasatra Izy

[V3]
 Mamelombelona ny fanahiko Izy;
 Mitarika ahy amin'ny làlan'ny fahamarinana no ho ny anarany izy.

[V4]
 Eny, nadia mandeha mamaky Io hasaha aloky ny fahafatesana aza aho,
 Dia tsy hataho-tra ny loza aho.

[V5]
 Fa Hianao no amiko,
 Ny tsorakazonao sy ny tehinao, ireo no mahafatahotra ahy.

[V6]
 Mamelatra latabatra eo anoloako, eo i maso n'ny fahavaloko Hianao;
 Manosotra diloilo ny lohako Hianao;

[V7]
 Ny kapoakako feno dia feno.
 Eny, tokoa fahasoavana sy famindrampo
 No hanaraka ahy amin'ny andro rehetra hiainako,
 Dia hitoetra ao an-tranon'i Jehovah androlava aho.

[V8]
 Hisaorana anie ny Ray sy ny Zanaka,
 Ary ny Fanahy Masina;
 Eny, hisaorana sy hankalazaina anie
 Andriamanitra mandraki-zay. Amen.</lyrics>
<title>Jehovah no Mpiandry ahy TS2</title>
<hymn_number>2</hymn_number>
</song>